Isaiah 29:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia mbola hanao zava-mahagaga amin’ity firenena ity indray Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ny manampahaizana eo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany mbola hanohy ny fanaovana zava-mahagaga Aho, amin’izany vahoaka izany, dia zava-mahagaga tsy fahita, tsy fahita amin’ity firenena ity. Ka ny fahendren’ny olon-kendriny ho foana, ary ny fahazavan-tsain’ny mpampianatra azy hihamaizina».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an’ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan’ny manampahaizany.»
Malagasy Bible 1865
Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.