Isaiah 29:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozan’izay miafina lalina mba tsy ho hitan’NY TOMPO ka manafina ny fikasany! Ao amin’ny maizina ny asany ka hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Loza ho an’izay manafina lalina tsy ho hitan’i Iaveh, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin’ny maizina, ka manao hoe: «Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozan’izay manao zavatra an-tsokosoko ka manafina ny paikany amin’ny TOMPO sy mamorona teti-dratsy ao amin’ny maizina. «Iza no mahita antsika, hoy izy, ary iza no mahalala izay ataontsika?»
Malagasy Bible 1865
Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozan’izay miafina lalina mba tsy ho hitan’NY TOMPO ka manafina ny fikasany! Ao amin’ny maizina ny asany ka hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
malagasy
Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?