Isaiah 29:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Endre izato hadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ny novolavolaina va hilaza izay namolavola azy hoe: Tsy namolavola ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga no ilazan’ny taozavatra ny mpanao azy hoe: «Tsy nanao ahy izy». sy ilazan’ny siny amin’ny mpanefy hoe: «Tsy mahalala na inona na inona izy?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Oadray ity hadalànareo e! Ny mpanefy ve hoheverinareo hitovy amin’ny tanimanga? Ny taozavatra ve hanao amin’ny mpanao azy hoe: «Tsy ianao no nanao ahy»? na ny fanaka bakoly hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: «Tsy misy zavatra hainao akory »?
Malagasy Bible 1865
Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Endre izato hadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ny novolavolaina va hilaza izay namolavola azy hoe: Tsy namolavola ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
malagasy