Isaiah 29:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia ho ren’ny marenina ny lazain’ny boky; ary na dia ao amin’ny haizina sy ny haizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ny jamba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany ny marenina dia handre izay voalaza ao amin’ny boky ary hiala ao amin’ny haizim-pito ny mason’ny jamba ka hahita.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia ho ren’ny marenina ny lazain’ny boky; ary na dia ao amin’ny haizina sy ny haizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ny jamba.
malagasy
Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.