Isaiah 29:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa hitan’ny zanany ny asan’ny tanako eo anivon’izy ireo dia hanamasina ny anarako izy; eny, hanamasina ny Iray Masin’i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’Andriamanitry ny Israely;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izy sy ireo taranany, rehefa mahita ny asan’ny tanako eo aminy, dia hanamasina ny Anarako izy ireo», hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo, ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely. Ireo Mivily saina, hianatra fahendrena, ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria raha mahita izay hataoko eo anivony ny tenany sy ireo taranany, dia hanome hasina ny anarako, hanome hasina Ahy satria Izaho no ilay Masin’i Jakôba ary hangovitra eo anatrehako satria Izaho no Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa hitan’ny zanany ny asan’ny tanako eo anivon’izy ireo dia hanamasina ny anarako izy; eny, hanamasina ny Iray Masin’i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’Andriamanitry ny Israely;
malagasy
Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.