Isaiah 29:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa ho tonga tahaka ny vovoka madinika ny fahavalonao betsaka, ary ho tahaka ny akofa entin-drivotra ny mpampihorohoro maro; eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny habetsahan’ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan’ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny vovoka mitora-jofo ny habetsaky ny fahavalonao, toy ny akofa misavoana ny olon-dozabe mamely anao.» Fa ho tampoka dia tampoka kosa
Malagasy Bible 1865
Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa ho tonga tahaka ny vovoka madinika ny fahavalonao betsaka, ary ho tahaka ny akofa entin-drivotra ny mpampihorohoro maro; eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
malagasy
Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.