Isaiah 29:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tahaka ny fahitana amin’ny nofy amin’ny alina ireo firenen-drehetra izay mivory hamely an’i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahory azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ho tahaka ny nofy, tahaka ny fahitana amin’ny alina no hahazo ireo firenena maro rehetra izay hiady amin’i Ariela, sy izay rehetra hanafika azy sy ny tranony mimanda, sy hamoritra azy mafy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny nofy na fahitana mihelina amin’ny alina no hanjavonan’ireo firenena marobe mamely anao, ry Ariela, dia ireo rehetra miady aminao ka manangana tovon-tany hampahoriana anao.
Malagasy Bible 1865
Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tahaka ny fahitana amin’ny nofy amin’ny alina ireo firenen-drehetra izay mivory hamely an’i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahory azy.
malagasy
Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.