Isaiah 29:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho tahaka ny olona noana izay manonofy mihinana, kanjo nony mahatsiaro izy dia foana ihany ny kibony; na koa tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro, kanjo nony mahatsiaro izy dia indro, ana sady mbola mangetaheta ihany; ho tahaka izany ny firenena rehetra izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tahaka ny olona noana, manonofy hoe mihinana, kanjo nony mahatsiaro dia foana ny fanahiny; ary tahaka ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro, kanjo nony mahatsiaro, anan’ny hasasarana sy mangetaheta ihany izy. Dia tahaka izany no hahazo an’ireo firenena maro ireo, izay mandeha hamely ny tendrombohitra Siôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tahaka ny olona mosarena manonofy mihinana, kanjo nony taitra dia noana ihany ny kibony; ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy misotro, kanjo nony taitra dia trotraka fa mbola maina ihany ny tendany; ho tahaka izany ireo firenena marobe izay miady amin’ny tendrombohitra Tsiôna.
Malagasy Bible 1865
Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ho tahaka ny olona noana izay manonofy mihinana, kanjo nony mahatsiaro izy dia foana ihany ny kibony; na koa tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro, kanjo nony mahatsiaro izy dia indro, ana sady mbola mangetaheta ihany; ho tahaka izany ny firenena rehetra izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona*.
malagasy