Isaiah 3:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miampanga ny loholona sy ny lehiben’ny olony amin’ny fitsarana NY TOMPO hoe: Ripakareo ny tanim-boaloboka! Ary ao an-tranonareo ny fananan’ny mahantra izay efa nalainareo an-keriny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifandahatra amin’ny loholona eo amin’ny fitsarana i Iaveh, sy amin’ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe: «Niraotra ny voaloboka ianareo; ny fananan’ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben’ny vahoakany: «Ianareo no nanimba ny voaloboka; ary izay nalainareo tamin’ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.
Malagasy Bible 1865
Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miampanga ny loholona sy ny lehiben’ny olony amin’ny fitsarana NY TOMPO hoe: Ripakareo ny tanim-boaloboka! Ary ao an-tranonareo ny fananan’ny mahantra izay efa nalainareo an-keriny!
malagasy
Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.