Isaiah 3:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hifampijaly ny vahoaka, dia izy samy izy sy ny namany avy; ny tanora dia hihetraketraka amin’ny zokiolona, ary ny tsinontsinona amin’ny manankaja.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin’ny lehilahy ary ny olona samy amin’ny mifanakaiky aminy; hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin’ny anti-panahy; ary ny olom-poana amin’ny olo-manan-daza indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hifanjevo izy samy mpiray firenena; hifampisompatra ny olona ka hifamely, ny tanora hirehareha amin’ny antitra, ary ny olon-tsotra hanohitra ny olo-manan-kaja.
Malagasy Bible 1865
Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hifampijaly ny vahoaka, dia izy samy izy sy ny namany avy; ny tanora dia hihetraketraka amin’ny zokiolona, ary ny tsinontsinona amin’ny manankaja.
malagasy
Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.