Isaiah 3:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy olona hohazonin’ny rahalahiny ao an-tranon’ny rainy ka hitenenany hoe: Ianao no manana fitafiana ka aoka ho mpanapaka aminay! Ary aoka ho andraikitrao izao faharavana izao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: «Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisy lehilahy hisambotra ny rahalahiny izay iray tarika aminy ihany ka hiangavy azy hoe: «Ianao no manam-pitafiana, koa aoka ho mpifehy anay; raiso ny andraikitrao amin’izao fahavoazana izao.»
Malagasy Bible 1865
Raha misy olona angatahin 'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisy olona hohazonin’ny rahalahiny ao an-tranon’ny rainy ka hitenenany hoe: Ianao no manana fitafiana ka aoka ho mpanapaka aminay! Ary aoka ho andraikitrao izao faharavana izao!
malagasy
Raha misy olona angatahin'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,[Heb. hazon']