Isaiah 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hanangam-peo izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mpitsabo aho ary tsy misy hanina na fitafiana ao an-tranoko; koa tsy azonareo apetraka ho mpanapaka amin’ny olona aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hikafankafana izy, amin’izany andro izany, hanao hoe: «Tsy te-ho mpanasitrana aho, fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory, ka aza ataonareo lehiben’ny vahoaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hamaly izy amin’izay andro izay hoe: «Tsy afaka hanao na inona na inona ho anareo aho, tsy misy mofo na fitafiana ao an-tranoko, koa aza ataonareo mpifehy vahoaka aho.»
Malagasy Bible 1865
Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hanangam-peo izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mpitsabo aho ary tsy misy hanina na fitafiana ao an-tranoko; koa tsy azonareo apetraka ho mpanapaka amin’ny olona aho!
malagasy
Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.