Isaiah 3:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tafintohina i Jerosalema ary potraka i Joda satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra NY TOMPO mba hikomy eo anatrehan’ny voninahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria mangozohozo i Jerosalema ary mirodana i Jodà, noho ny teny aman’asan’izy ireo manohitra an’i Iaveh, mba hihaika ny fijerin’ny fiandrianany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin’ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.
Malagasy Bible 1865
Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tafintohina i Jerosalema ary potraka i Joda satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra NY TOMPO mba hikomy eo anatrehan’ny voninahiny.
malagasy
Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.