Isaiah 30:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozan’ny zaza maditra! Hoy NY TOMPO. Manao tetikasa izy nefa tsy avy Amiko izany, ary manao fanekena izy nefa tsy avy amin’ny Fanahiko, ka ota anampy ota izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Loza ho an’izay zaza maditra - teny ton’i Iaveh, izay manao fikasana nefa tsy ombako; sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko, ka manampy ota ny ota.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozanareo zanaka maditra, hoy ny TOMPO! Manao tetikasa ianareo, nefa tsy avy amiko ireny; manao fifanekena, nefa tsy araka ny Fanahiko. Heloka ampiana heloka izany.
Malagasy Bible 1865
Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozan’ny zaza maditra! Hoy NY TOMPO. Manao tetikasa izy nefa tsy avy Amiko izany, ary manao fanekena izy nefa tsy avy amin’ny Fanahiko, ka ota anampy ota izany!
malagasy
[Ny hanjo ny Isiraely noho ny nanaovany fihavanana tamin'i Egypta, sy ny mbola hamindrana fo aminy] Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota, [Heb.mandrary harato][Heb. fialokalofanareo]