Isaiah 30:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’ny Iray Masin’ny Israely: Satria mandà izany teny izany ianareo sady matoky ny herisetra sy ny fiolakolahana ka miankina amin’izany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, izao no lazain’Ilay Masin’i Israely: Noho ianareo manamavo izany teny izany, sy mitoky amin’ny fanaovana an-keriny amam-pitaka, sady manao izany ho fiankinanareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazain’ilay Masin’i Israely: «Satria lavinareo izany teniko izany fa aleonareo mitoky amin’ny tsikombakomba sy miantehitra amin’ny hafetsifetsena,
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’ny Iray Masin’ny Israely: Satria mandà izany teny izany ianareo sady matoky ny herisetra sy ny fiolakolahana ka miankina amin’izany,
malagasy
Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,