Isaiah 30:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hopotipotehina tahaka ny fahapotipotiky ny vilanin’ny mpanefy tanimanga izy; homontsamontsanina tsy misy indrafo; ary tsy hisy vakiny ho tavela ka mbola ho azo angalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy, izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa, ary ny vakiny tsy hahitana silany akory mba hakana afo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-dobo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lasa potipotika ilay manda toy ny vilanin’ny mpanefy tanimanga, izay voadona ka montsamontsana: tsy hahitana intsony na dia silany iray mba hangalana vainafo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-kamory.»
Malagasy Bible 1865
Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hopotipotehina tahaka ny fahapotipotiky ny vilanin’ny mpanefy tanimanga izy; homontsamontsanina tsy misy indrafo; ary tsy hisy vakiny ho tavela ka mbola ho azo angalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano.
malagasy