Isaiah 30:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy kosa ianareo: Tsia! Handositra an-tsoavaly izahay! Noho izany dia handositra tokoa ianareo. Hoy koa ianareo: Hitaingina ny haingam-pandeha izahay! Dia ho haingam-pandeha koa ny mpanenjika anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefa tsy nety ianareo, fa hoy ianareo: «Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» - Eny hoe, handositra ianareo. - «Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.» Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa mamaly hoe: «Tsia, fa hiriotra izahay, hiriotra mitaingin-tsoavaly izahay.» Koa hitaingin-tsoavaly tokoa ianareo, saingy hitsoaka handositra. Hoy koa ianareo hoe: «Haingam-pandeha ny kalesy hitaingenanay.» Eny, kanefa ireo mpanenjika anareo dia vao mainka ho haingam-pandeha kokoa.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy kosa ianareo: Tsia! Handositra an-tsoavaly izahay! Noho izany dia handositra tokoa ianareo. Hoy koa ianareo: Hitaingina ny haingam-pandeha izahay! Dia ho haingam-pandeha koa ny mpanenjika anareo.
malagasy