Isaiah 30:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Handositra toy ny olona tokana ny arivo raha rahonan’ny olona iray; eny, handositra ianareo raha rahonan’ny dimy, mandra-pahatongan’ny sisa aminareo ho tahaka ny tsato-kazo avo any an-tampon’ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ny havoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha iray no handrahona, dia arivo no handositra; ary raha dimy no handrahona, handositra avokoa ianareo. Mandra-pahatonganareo ho kely sisa, tahaka ny tsato-kazo eny an-tampon’ny tendrombohitra, na ny faneva famantarana eny an-kavoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fahavalo iray monja no mandrahona, dia hampandositra ny arivo aminareo; ary raha misy dimy aminy no mandrahona dia handositra avokoa ianareo rehetra. Ka singantsingany no sisa ho velona aminareo, tahaka ny famantarana eny an-tampon-tendrombohitra na tahaka ny faneva tavela eny amin’ny havoana.
Malagasy Bible 1865
Ny arivo handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Handositra toy ny olona tokana ny arivo raha rahonan’ny olona iray; eny, handositra ianareo raha rahonan’ny dimy, mandra-pahatongan’ny sisa aminareo ho tahaka ny tsato-kazo avo any an-tampon’ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ny havoana.
malagasy