Isaiah 30:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandeha midina ho any Ejipta izy nefa tsy nanontany ny hevitro, hiery any amin’ny fiarovana mafin’ny farao sy hitady fialofana ao amin’ny alokalok’i Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia midina eny amin’ny lalana mankany Ejipta izy ireo nefa tsy manontany ny vavako, mba hialoka eo ambany fiarovan’i Faraôna sy hialokaloka eo amin’ny alokalok’i Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy manontany Ahy akory ianareo nefa mandeha midina any Ejipta mba hitady fiarovana amin’ny Farao sy fialofana eo ambany alok’i Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandeha midina ho any Ejipta izy nefa tsy nanontany ny hevitro, hiery any amin’ny fiarovana mafin’ny farao sy hitady fialofana ao amin’ny alokalok’i Ejipta.
malagasy
Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.