Isaiah 30:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Homen’ny Tompo mofo ianao raha ory, ary rano raha malahelo; tsy hiery intsony ny Mpampianatra anao; hahita ny Mpampianatra anao ny masonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana; ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homen’ny Tompo anao ny mofo sy rano amin’ny andro ampahoriana sy amoretana anao; Izy tokoa no mpampianatra anao ka tsy hiafina aminao intsony, ary ny masonao mihitsy no hahita Azy.
Malagasy Bible 1865
Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Homen’ny Tompo mofo ianao raha ory, ary rano raha malahelo; tsy hiery intsony ny Mpampianatra anao; hahita ny Mpampianatra anao ny masonao.
malagasy
Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;