Isaiah 30:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoheverinao ho zava-maloto ny sampy voasokitra mifono volafotsy sy ny sarivongana voarakotra volamena, ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko ary hataonao hoe: «Mialà amiko!»
Malagasy Bible 1865
Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy.
malagasy
Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]