Isaiah 30:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanome ranonorana ho an’ny masomboly izay nafafinao tamin’ny tany Izy, ary ny hanina vokatry ny tany dia sady ho tsara no mahavoky; ary amin’izany andro izany dia hihinana eny amin’ny tany malalaka ny ombinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Tompo handefa ny ranonorany amin’ny voa nafafinao amin’ny tany, ary ny tany hahavokatra mofo, tsara tokoa sady betsaka, amin’izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana eny amin’ny tany fiandrasana malalaka:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Handrotsaka ranonorana ny Tompo ho an’ny voa izay nafafinao any an-tsaha, ka ny sakafo hovokarin’ny tany dia sady ho betsaka no hatsiro. Amin’izany andro izany, ny biby fiompinao dia hiraoka amin’ny kijàna midadasika.
Malagasy Bible 1865
Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;