Isaiah 30:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’ny andro lehibe famonoana, amin’ny fianjeran’ny tilikambo fiambenana, dia hisy lakandrano sy rian-drano hikoriana any an-tendrombohitra avo sy ny havoana manerinerina rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny an-tendrombohitra avo rehetra, eny an-kavoana avo rehetra hisy sakeli-drano aman-dranovelona, amin’ny andro famonoam-be, dia hianjeran’ny tilikambo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andron’ilay fandringanana goavana, rehefa hianjera ireo tilikambo, dia samy hisy renirano mikoriana eny an-tendrombohitra manerinerina sy eny amin’ny havoana miteronterona.
Malagasy Bible 1865
Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’ny andro lehibe famonoana, amin’ny fianjeran’ny tilikambo fiambenana, dia hisy lakandrano sy rian-drano hikoriana any an-tendrombohitra avo sy ny havoana manerinerina rehetra.
malagasy
Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.