Isaiah 30:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, ary ny hazavan’ny masoandro dia ho avo fito heny ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamehezan’NY TOMPO ny fahatorotoroan’ny olony, sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro hitsaboan’ny TOMPO ireo ratra nanjo ny vahoakany sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy, ny fahazavàn’ny volana dia ho tahaka ny an’ny masoandro, ary ny fahazavàn’ny masoandro dia hamiratra ho impito heny raha oharina amin’ny hazavàny isan’andro.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, ary ny hazavan’ny masoandro dia ho avo fito heny ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamehezan’NY TOMPO ny fahatorotoroan’ny olony, sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy.
malagasy