Isaiah 30:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, avy any lavitra any ny anaran’NY TOMPO, mirehitra ny fahatezerany sady mavesatra no mandrahona; feno hatezerana ny molony, ary tahaka ny afo mandevona ny lelany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro avy any lavitra any ny Anaran’i Iaveh; mahamay ny hatezerany, ka tsy tanty ny fahamainy; mivoaka fisafoahana ny molony; ary tahaka ny afo mandevona ny lelany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro ny tenan’ny TOMPO mihitsy no tonga avy any lavitra any, ombàn’ny fahatezerana mirehitra sady midonaka. Mipololotra fahavinirana ny molony, ka toy ny afo mandevona ny teniny.
Malagasy Bible 1865
Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, avy any lavitra any ny anaran’NY TOMPO, mirehitra ny fahatezerany sady mavesatra no mandrahona; feno hatezerana ny molony, ary tahaka ny afo mandevona ny lelany;
malagasy
Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;