Isaiah 30:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fankalazana ny andro firavoravoana; ny hafalian’ny fonao dia ho tahaka ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny Vatolampin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany ianareo hiventy hira, tahaka ny amin’ny alina ankalazana ny fety, ary ny fonareo hiravoravo tahaka an’izay miakatra amin’ny feon-tsodina, ho ao an-tendrombohitr’i Iaveh hanatona ny vatolampin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianareo ao Jerosalema kosa hihira toy ny fanao amin’ny alina fankalazana ny fety ary hiravoravo am-po toy ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitry ny TOMPO, ilay Vatolampin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fankalazana ny andro firavoravoana; ny hafalian’ny fonao dia ho tahaka ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny Vatolampin’ny Israely.
malagasy
Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely; [Heb. fanamasinana]