Isaiah 30:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isaky ny miantefa ny tsorakazo voatendry, izay amelezan’NY TOMPO azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; ary amin’ny tanana misandratra no hiadiany aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka isaky ny miantefa ny tsora-kazo tsy diso hampidinin’i Iaveh aminy, dia hatao mitatatata ny ampongatapaka aman-dokanga, ary hiady aminy, sady hamely mafy azy Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny kapoka isanisany hamelezan’ny TOMPO azy dia hiasa ho famaizana azy. Harahina ampongatapaka sy lokanga ary dihy koa ny hetsi-tanana hiadian’ny Tompo aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Isaky ny miantefa ny tsorakazo voatendry, izay amelezan’NY TOMPO azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; ary amin’ny tanana misandratra no hiadiany aminy.
malagasy
Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.