Isaiah 30:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa efa voavoatra hatramin’ny taloha i Tofeta; eny, efa nataony vonona ho an’ny mpanjaka izy, natao lalina sady malalaka; ny fatany dia misy afo sy kitay betsaka; ary ny fofonain’NY TOMPO izay tahaka ny renirano solifara no mampirehitra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa efa voaomana hatramin’ny ela i Tôfeta; io koa dia efa voaomana ho an’ny mpanjaka. Nataon’ny Tompo malalaka sady lalina izy; misy afo aman-kitay betsaka eo ambonin’ny antontan-kitainy; ny fofon’ain’i Iaveh tahaka ny riaka solifara, no mampirehitra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa efa voaomana hatry ny ela ny fandoroana, ary ho an’ny mpanjaka ihany koa izany. Faritra boribory, malalaka sady lalina, no namoriana kitay betsaka handrehetana afo; ary dia ny fofonain’ny TOMPO, izay toy ny riakan- tsolifara miredareda, no hampirehitra izany toeram-pandoroana izany.
Malagasy Bible 1865
Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony lalina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa efa voavoatra hatramin’ny taloha i Tofeta; eny, efa nataony vonona ho an’ny mpanjaka izy, natao lalina sady malalaka; ny fatany dia misy afo sy kitay betsaka; ary ny fofonain’NY TOMPO izay tahaka ny renirano solifara no mampirehitra azy.
malagasy
Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.