Isaiah 30:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny loza hanjo ny behemota any amin’ny Negeva. Any amin’ny tany feno fahoriana sy tebiteby, izay iavian’ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny dragona manidina, no nitondrany ny harenany teny an-damosin’ny boriky tanora, ary ny fananany teo amin’ny trafon’ny rameva, ho any amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Faminaniana ny amin’ireo bibin’i Negeba: Izy ireo mamakivaky ny tany mampahory sy mampitebiteby, izay ivoahan’ny liona aman-diona vavy, ny menarana sy ny dragona manidina, mitondra ny hareny eny an-damosin’ny ampondra, sy ny rakiny eo amin’ny trafon’ny rameva, ho an’ny firenena tsy mahefa na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba. Faritra mampahory sy mampitebiteby sady misy liona masiaka mierona ary koa menarana sy dragona manidina no indro vakivakîn’ny olona ka itondrany harena sy zava-tsoa eny an-damosin’ny boriky sy eny ambony trafon’ny rameva hankany amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory.
Malagasy Bible 1865
Faminaniana ny amin'ny behemota any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny loza hanjo ny behemota any amin’ny Negeva. Any amin’ny tany feno fahoriana sy tebiteby, izay iavian’ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny dragona manidina, no nitondrany ny harenany teny an-damosin’ny boriky tanora, ary ny fananany teo amin’ny trafon’ny rameva, ho any amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory!
malagasy
Faminaniana ny amin'ny behemota any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.[hipopotamosy]