Isaiah 31:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozan’izay midina any Ejipta hitady famonjena, sy izay miantehitra amin’ny soavaly ary matoky ny kalesy fitondra miady satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly satria mahery dia mahery ireny, fa tsy mibanjina ny Iray Masin’ny Israely, na mitady NY TOMPO!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin’ny soavaly, ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny, sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy; ary i Iaveh tsy tadiaviny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozan’izay midina any Ejipta hitady famonjena, sy izay miantehitra amin’ny soavaly ary matoky ny kalesy fitondra miady satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly satria mahery dia mahery ireny, fa tsy mibanjina ny Iray Masin’ny Israely, na mitady NY TOMPO!
malagasy
[Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin'i Egypta sy ny hiarovan'Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin'ny fahamarinana] Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.