Isaiah 31:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Olona ihany ny Ejiptiana fa tsy Andriamanitra; nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy. Koa rehefa atsotran’NY TOMPO ny tanany dia ho tafintohina izay manampy ary ho potraka izay ampiana, koa samy ho levona avokoa izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Ejiptianina dia olombelona ihany, fa tsy fanahy; dia haninji-tanana i Iaveh, ka ho tafintohina izay manampy, ho potraka izay hampiana, ary hiara-devona avokoa izy roa tonta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olombelona ihany ny Ejiptianina fa tsy Andriamanitra akory; nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy; koa vao maninji-tanana ny TOMPO, dia ho solafaka izany mpamonjy izany, hianjera koa ilay natao harovany ary hiara-devona izy roa tonta.
Malagasy Bible 1865
Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Olona ihany ny Ejiptiana fa tsy Andriamanitra; nofo ihany ny soavaliny fa tsy fanahy. Koa rehefa atsotran’NY TOMPO ny tanany dia ho tafintohina izay manampy ary ho potraka izay ampiana, koa samy ho levona avokoa izy rehetra.
malagasy