Isaiah 31:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Tahaka ny fieron’ny liona sy ny liona tanora eo amin’ny rembiny, koa na dia betsaka aza ny mpiandry ondry voaantso hamely azy dia tsy matahotra ny feon’ireo izy, na mivarahontsana noho ny fihorakorahany, tahaka izany no hidinan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hiady ao amin’ny tendrombohitra Ziona sy ny havoanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko: «Toy ny fieron’ny liona sy ny liona tanora amin’ny rembiny, raha mivory hanohitra azy ny mpiandry ondry maro be, ka tsy resin-tahotra izay horakorak’izy ireo, na manahy izay hamaroany akory; toy izany koa no hidinan’i Iavehn’ny tafika mba hiady, eo an-tendrombohitra Siôna sy eo amin’ny havoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no nolazain’ny TOMPO tamiko: «Rehefa ny liona na ny liona tanora no mierona hiambina ny remby azony eo anoloan’andiana mpiandry ondry izay tafangona hamely azy, dia tsy matahotra ny antsoantson’ireo izy na lasa mitsoaka noho ny tabatabany. Ho tahaka izany koa Aho, hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao, rehefa midina hiady eo an-tendrombohitra Tsiôna na eo amin’ilay havoany.»
Malagasy Bible 1865
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Tahaka ny fieron’ny liona sy ny liona tanora eo amin’ny rembiny, koa na dia betsaka aza ny mpiandry ondry voaantso hamely azy dia tsy matahotra ny feon’ireo izy, na mivarahontsana noho ny fihorakorahany, tahaka izany no hidinan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hiady ao amin’ny tendrombohitra Ziona* sy ny havoanany.
malagasy
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra]