Isaiah 31:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho lavo ny Asiriana, ho lavon’ny sabatra izay tsy mba an’olona; eny, sabatra izay tsy mba an’olombelona no handringanana azy; handositra ny sabatra izy ary hampanaovina fanompoana ny zatovony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr’olombelona; sabatra izay tsy sabatr’olombelona no handevona azy; handositra eo anoloan’ny sabatra izy, ary ny zatovony hampandoavina hetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy sabatra nataon’ny olona ilay sabatra handavo ny Asirianina; ary tsy sabatra an’olombelona ilay sabatra handringana azy. Handositra eo anoloan’io sabatra io ny Asirianina; ary ny miaramila voafantiny dia hampanaovina asa an-terivozona.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho lavo ny Asiriana, ho lavon’ny sabatra izay tsy mba an’olona; eny, sabatra izay tsy mba an’olombelona no handringanana azy; handositra ny sabatra izy ary hampanaovina fanompoana ny zatovony.
malagasy
Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]