Isaiah 32:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha afaka herintaona mahery kely dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; hifarana mantsy ny taom-piotazam-boaloboka ary tsy hisy akory ny fanangonam-boankazo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha afaka herintaona mahery andro vitsy, dia hangovitra ianareo tsy manahy, fa ny fiotazam-boaloboka tsy hisy; ny fanangonam-boa tsy hatao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Afaka herintaona mahery kely eo, dia ho raiki-tahotra ianareo tsy rototra satria hamono antoka ny fiotazam-boaloboka ary tsy hisy vokatra hangonina intsony.
Malagasy Bible 1865
Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha afaka herintaona mahery kely dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; hifarana mantsy ny taom-piotazam-boaloboka ary tsy hisy akory ny fanangonam-boankazo.
malagasy
Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo