Isaiah 32:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ho foana ny lapan’ny mpanjaka, hilaozana ny tanàna mitabataba; ho tonga zohy mandrakizay i Ofela sy ny tilikambo fiambenana; ho zary fikarenjen’ny borikidia sy firaofan’ny andian’ny ondry aman’osy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny lapa, nilaozana, ny tanàna maresaka, zary tany foana; Ofely sy ny Tilikambo fiambenana, zary fierem-biby ho mandrakizay, fikarenjen’ampondra dia, ary fiandrasana biby fiompy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nilaozana ny lapan’ny mpanjaka, nangina ilay tanàna naresaka; ny faritr’i Hôfela sy ny tilikambo fitiliana dia nanjary toera-malalaka lalandava izay fikarenjen’ny borikidia sy firaofan’ny andiam-biby fiompy.
Malagasy Bible 1865
Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ho foana ny lapan’ny mpanjaka, hilaozana ny tanàna mitabataba; ho tonga zohy mandrakizay i Ofela sy ny tilikambo fiambenana; ho zary fikarenjen’ny borikidia sy firaofan’ny andian’ny ondry aman’osy.
malagasy
Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]