Isaiah 32:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samy ho fierena amin’ny rivotra, ary ho fialofana amin’ny oram-baratra izy, ho lakandrano manondraka ny tany maina izy, ho alokalo-batolampy mandondona amin’ny tany karankaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra; ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy toy ny fierena amin’ny tafio-drivotra izy samy toy ny fialofana amin’ny oram-baratra, samy toy ny sakeli-drano amin’ny tany karankaina ary toy ny aloky ny harambato amin’ny tany ngazana.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Samy ho fierena amin’ny rivotra, ary ho fialofana amin’ny oram-baratra izy, ho lakandrano manondraka ny tany maina izy, ho alokalo-batolampy mandondona amin’ny tany karankaina.
malagasy
Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy]