Isaiah 32:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny adala mantsy dia mbola miteny hadalana ihany ary mamoron-keloka ny fony mba hanaovany izay ratsy sy hitenenany ratsy NY TOMPO, ary hiraharahany ny kibon’ny noana sy hanakanany ny mangetaheta tsy hisotro rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria ny adala miteniteny foana, ary ny ratsy no imasoan’ny fony, mba hanaovany zavatra mifanohitra amin’ny fivavahana; sy hanononany teny diso manohitra an’i Iaveh, mba hamelany ny fanahin’ny noana hilendalenda fotsiny eo, sy hanesorany ny fisotro eny amin’izay mangetaheta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny adala miteny hadalana hatrany, ary ny fony manomana heloka; dia manatanteraka izany tahaka ny tsy mpivavaka izy ary koa miteny ratsy ny TOMPO. Avelany hitofezaka ny noana ary tsy ampisotroiny rano ny mangetaheta.
Malagasy Bible 1865
Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny adala mantsy dia mbola miteny hadalana ihany ary mamoron-keloka ny fony mba hanaovany izay ratsy sy hitenenany ratsy NY TOMPO, ary hiraharahany ny kibon’ny noana sy hanakanany ny mangetaheta tsy hisotro rano.
malagasy
Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]