Isaiah 32:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ratsy ny hafetsen’ny mpanambaka; manao teti-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ny teny lainga na dia manana ny rariny aza ny mahantra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fiadanan’ny mpamitaka dia enti-mamadika, mamoron-tsain-dratsy izy io, hamerezany amin’ny lainga ny olona iva toerana, ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy, mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo amin’ny filazana zavatra hosoka rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra.
Malagasy Bible 1865
Ary ratsy ny hafetsen 'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ratsy ny hafetsen’ny mpanambaka; manao teti-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ny teny lainga na dia manana ny rariny aza ny mahantra;
malagasy
Ary ratsy ny hafetsen'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']