Isaiah 33:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao; ry ilay mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra tsy mandrava intsony ianao dia mba horavana kosa; ary rehefa mitsahatra tsy mamitaka intsony ianao dia mba hofitahina kosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rehefa nitsahatra ny nandrava ianao, dia horavana; rehefa tapi-nandroba ianao, dia horobaina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.
Malagasy Bible 1865
Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao; ry ilay mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra tsy mandrava intsony ianao dia mba horavana kosa; ary rehefa mitsahatra tsy mamitaka intsony ianao dia mba hofitahina kosa.
malagasy
[Ny hampijaliana an'i Asyria, sy ny soa ho hitan'i Ziona kosa] Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.