Isaiah 33:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay mandeha amin’ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadìny mba tsy handrenesany ny amin’ny fandatsahan-dra sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay mandeha amin’ny rariny, sy miteny amin’ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tanana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadìny amin’ny resaka handatsa-dra, mitampi-maso tsy hahita ny ratsy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Izay mandeha araka ny rariny ka miteny tsy misy olakolaka, izay mandà ny tombontsoa azo an-keriny sy manakifika ny tanany tsy handray tsolotra, izay manampin-tsofina tsy hihaino ny teny mampirisika hamono olona, izay manakimpy ny masony mba tsy hijery ny ratsy.
Malagasy Bible 1865
Izay mandeha amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin'ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay mandeha amin’ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadìny mba tsy handrenesany ny amin’ny fandatsahan-dra sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
malagasy