Isaiah 33:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsinjovy i Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ny andro firavoravoana! Ny masonao dia hahita an’i Jerosalema, fonenana mandry fehizay, tranolay izay tsy hafindra intsony, tsy hongotana intsony mandrakizay ny tsatokan-dainy, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jereo ity Siôna tanàna fanaovantsika fety; aoka ny masonao anie hahita an’i Jerosalema, fonenana mahasambatra, lay tsy hafindrafindra, izay tsy hongotana mandrakizay ny tsîmany sy tsy hanesorana iray akory ny tadiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ndeha topazonao maso i Tsiôna, fankalazàntsika ny fety firavoravoana, dia ho hitanao i Jerosalema, fonenana tony tokoa toy ny lay tsy hahorona intsony, ka ny tsimatra aminy tsy hongotana ary ny kofehiny tsy hovahana intsony.
Malagasy Bible 1865
Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsinjovy i Ziona*, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ny andro firavoravoana! Ny masonao dia hahita an’i Jerosalema, fonenana mandry fehizay, tranolay izay tsy hafindra intsony, tsy hongotana intsony mandrakizay ny tsatokan-dainy, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
malagasy
Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.