Isaiah 33:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa any tokoa dia mahery ho antsika NY TOMPO. Tany misy ony sy lakandrano lehibe no any; tsy halehan’ny sambo voizina izany, na hovakivakin’ny sambo lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao marina no honenan’i Iaveh ho antsika amin’ny voninahiny; ao no misy ony aman-dakan-drano lehibe; izay tsy ho sahin’ny lakana voizina hidirana na iray aza, sy tsy hidiran-tsambo lehibe na iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo no hanehoan’ny TOMPO ny fahalehibiazany amintsika. Ho faritra hisy renirano sy ony be velarana izany, kanefa tsy handehanan’ny sambo mpiady na hivezivezen’ny sambo vaventy.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa any tokoa dia mahery ho antsika NY TOMPO. Tany misy ony sy lakandrano lehibe no any; tsy halehan’ny sambo voizina izany, na hovakivakin’ny sambo lehibe.
malagasy
Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe.