Isaiah 33:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misaona ny tany ka milofika; menatra i Libanona ka malazo; tonga tahaka ny tany ngazana i Saròna, ary manintsan-dravina i Basana sy i Karmela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misaona sy milofika ny tany; menatra sy malazo i Libàna, zary sahala amin’i Arabah i Sarôna, manintsan-dravina i Basàna sy i Karmely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misaona ny tany ka milofika, menatra ny tendrombohitr’i Libano ka malazo, nanjary tany hay ny lemak’i Saròna, ringitra i Basàna sy i Karmela.
Malagasy Bible 1865
Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misaona ny tany ka milofika; menatra i Libanona ka malazo; tonga tahaka ny tany ngazana i Saròna, ary manintsan-dravina i Basana sy i Karmela.
malagasy
Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.