Isaiah 34:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manatòna ianareo Jentilisa mba handre! Mihainoa ianareo firenena! Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manatòna hihaino, ianareo firenena, mampandria sofina, ianareo vahoaka! Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao mbamin’ny vokatra rehetra avy aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manatòna handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!
Malagasy Bible 1865
Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manatòna ianareo Jentilisa* mba handre! Mihainoa ianareo firenena! Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!
malagasy
[Ny hampijaliana ny fahavalon'ny Isiraely, indrindra fa Edoma, sy ny fahasambaran'ny navotan'i Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.