Isaiah 34:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ho zaratanin’ny tararaka sy ny sokina izy. Hitoetra ao ny vorondolo lehibe sy ny goaika, ary hohenjanina eo aminy ny kofehy fandrefesan’ny fikorontanana sy ny fandrefesana marindranon’ny fahafoanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny pelikano aman-tsokina no hivolon-tompony ao; ny vorondolo sy ny goaika no honina ao; ary hoenjehina eo aminy ny famolain’ny fikorontanana sy ny levin’ny fanafoanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho kianjan’ny tararaka sy ny sokina izy ary honenan’ny vorondolo sy ny goaika. Hohenjanin’ny Tompo eo aminy ny famolaina fandravana sy ny pilao fandrodanana.
Malagasy Bible 1865
Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.