Isaiah 34:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ny lapan’ny mpanjakany, songosongo sy voaroy no ho ao amin’ny manda fiarovany, ary ho fonenan’ny amboadia sy fitoeran’ny aotirisy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsilo no haniry ao an-dapany; ary voaroy amam-beroberokamboa no ho eo an-tranony mimanda, ka ho fieren’amboadia sy ho valan’ostritsa foana izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haniry tsilo ny lapan’ny mpanjaka; ary songosongo sy voaroy no hanenika ny trano fiarovany. Ho fonenan’ny amboadia sy sehatry ny vorombe ireo,
Malagasy Bible 1865
Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia sy fitoeran'ny ostritsa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ny lapan’ny mpanjakany, songosongo sy voaroy no ho ao amin’ny manda fiarovany, ary ho fonenan’ny amboadia sy fitoeran’ny aotirisy izany.
malagasy
Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia sy fitoeran'ny ostritsa izy. [Heb.jakala]