Isaiah 34:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hihaona amin’ny kary ireo mponina any an-tany efitra, hiantso ny namany ny osilahy; ary ilay biby mandehandeha amin’ny alina no hitoetra any ka hahita toeram-pialan-tsasatra ho azy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny kary aman’amboadia, ho tafahaona ao; ary ny sitara hifampiantsoantso ao. Ny lolovokatra mpiseho alina hiorim-ponenana ao koa, sy hahazo fitoerana fitsaharany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ho fihaonan’ny bibidia sy ny kary; any no hifampitaona ireo osidia, any no hiato sy hiala sasatra ny lilîta mpandehandeha amin’ny alina.
Malagasy Bible 1865
Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hihaona amin’ny kary ireo mponina any an-tany efitra, hiantso ny namany ny osilahy; ary ilay biby mandehandeha amin’ny alina no hitoetra any ka hahita toeram-pialan-tsasatra ho azy;
malagasy
Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[Na: jakala][Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][Heb. lilita]