Isaiah 34:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hanao ny lavany any ny bibilava ka hanatody sy hikotrika ary hifana ao amin’ny alokalony; any koa no hiangonan’ny papango, samy eo amin’ny namany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao ny bibilava no hanao ny akaniny sy hanatody sy hikotrika azy hanangona ny zanany eo ambanin’ny alokalony. Hiangona ao avokoa ny papango.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Any koa no hanao lavaka ny bibilava ka hametraka ny atodiny sy hikotrika azy ary hanara-maso ny fahafoizany. Any koa no hivondronan’ny papango samy araka ny andiany avy.
Malagasy Bible 1865
Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hanao ny lavany any ny bibilava ka hanatody sy hikotrika ary hifana ao amin’ny alokalony; any koa no hiangonan’ny papango, samy eo amin’ny namany avy.
malagasy
Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.