Isaiah 34:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy no nanendry anjara ho an’ireo ary ny tanany no nizara izany ho an’ireo tamin’ny kofehy fandrefesana. Handova izany mandrakizay ireo ka hitoetra ao hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tenany no nanao loka ho an’ireo, ary tanany no nizara ny tany ho azy ireo amin’ny famolaina; ka hanana izany mandrakizay ireo; ary honina ao amin’ny taona mifandimby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Antsapaka no nanendreny ny anjaran’ny tsirairay, noraisiny ny famolaina hizaràna ny tany ho azy; ireo no ho tompony hatrany hatrany ka honina ao hatramin’ny taranaka mifandimby.
Malagasy Bible 1865
Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy no nanendry anjara ho an’ireo ary ny tanany no nizara izany ho an’ireo tamin’ny kofehy fandrefesana. Handova izany mandrakizay ireo ka hitoetra ao hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
malagasy
Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.