Isaiah 34:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny fahatezeran’NY TOMPO dia amin’ny Jentilisa rehetra ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fisafoahany; efa nodidiany hatao zavatra voaozona ireo ary natolony hovonoina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mihatra amin’ny firenena rehetra ny haviniran’i Iaveh, ary amin’ny miaramilany rehetra ny hatezerany; nataony anatema, natolony hovonoina ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra amin’ny firenen-kafa rehetra ny TOMPO sady misafoaka amin’ny tafiny manontolo; nasainy naringana ireny ka natolony hovonoina.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny fahatezeran’NY TOMPO dia amin’ny Jentilisa rehetra ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fisafoahany; efa nodidiany hatao zavatra voaozona ireo ary natolony hovonoina.
malagasy
Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]